Fitsarana ambony Toamasina : jiolahy mpamerin-keloka nafahan’ny fitsarana

Notsaraina tao amin’ny sampam-pitsarana ambony misahana ny ady heloka be­vava Toamasina, omaly, ny antontan-taratasin’ady laharana faha-179-Toa/23, momba ny fanafihana mitam-piadiana tao Ambohijafy Toamasina, ny alin’ny 12 febroary 2023. Voarohirohy tamin’izany ny jiolahy iray. Lasany ny moto an’ny raim-pianakaviana iray. Andian-jiolahy nirongo basy sy antsy no nisakana ilay raim-pianakaviana sady nandrahona tamin’ny basy mba hidina avy eo ambony moto, tamin’io fotoana io. Nam­baran’ilay voaroba nandritra ny fotoam-pitsarana ny mo­mba ilay jiolahy izay somary nampiahiahy ny mpitsara mpanao famotorana izany. Nohamafisin’ny mpampanoa lalàna ambony, nandritra ny adihevitra, fa manana antontan-taratasin’ady miisa telo manenjika ny voampanga iray amin’ireo telo lahy. Anisan’ izany ny raharaha fitifirana nahafaty polisy ny zoma 28 oktobra 2022. Nomelohin’ny fitsarana asa an-terivozona 5 taona an-tranomaizina io jiolahy iray io raha raharaha momba ny halatra moto ny roa hafa. Matetika ny olona iharan’ny fanafihana no rahonan’ireo jiolahy mba hiondrika ka tsy hijery ny tarehin’izy ireo. Efa hariva anefa ny andro nandritra io fanafihana io ka nambarany tamin’izany fa tsy tadidiny ny endrik’ireo olon-dratsy. Nanda ny fiampangana azy rahateo ireo olon-dratsy nandritra ny fifandaharana teo anoloan’ny fitsarana. Vokany, taorian’ny adihevitra, nafahana am-pisalasalana ny jiolahy voampanga tamin’ity raharaha ity.

Sajo

Partager sur: