Faha-17 taonan’ny Clam : mivondrona hitondra ainga vao ireo laboratoara

Nanao famelabelaran-kevitra tetsy amin’ny Akademia Malagasy, omaly, ireo karazana laboratoara amina sehatra samihafa. Hanambatra hery hisian’ny ainga vao ho amin’ny kalitao tsara hatrany.

Mampivondrona ireo laboratoara amin’ny sehatra marolafy ny Clam. Teo aloha, ny laboratoara momba ny sakafo fihinana sy ny fambolena ihany no tena be mpahafantatra. Ankehitriny kosa, efa maro ireo sehatra mampiasa ny laboratoara ho fitiliana ny kalitao sy ny fahombiazan’ny vokatra. Anisan’ izany ny laboratoara momba ny angovo, biomedical, BTP….

Manana anjara toerana lehibe ny laboratoara amin’ny lafiny teknika sy siantifika. Niezaka nampivondrona ireo laboratoara rehetra ny Clam.

Hitondra ainga vao ho an’ny laboratoara eto Mada­gasikara sy amin’ny sehatra rehetra indrindra ho an’ireo vahoaka misitraka ny vokatra voatily ny fivelaran’ny karazana laboratoara sy ny fivondronan’izy ireo.

Ny kojakoja ampiasaina any amin’ny laboratoara no anisan’ny mbola olana sy sa­kana amin’ny fanatsarana ny asa, hoy ny filohan’ny Clam, Rajoelisoa Andriamalala. Mila hamafisina ny fiaraha-miasa eo amin’ny sampandraharaha samihafa. Ilaina ny fifanomezan-tanana… Tanjona ny hametrahana rafitra amin’ny kalitao mazava satria singa iray ao anatin’ny rafitra ny laboratoara.

Ankilany, nilaza ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny In­dostria sy ny varotra, Rasamoely Vahinisoa, fa tena ilaina ny fanarahana fenitra ny entana vokarina indrindra ireo aondrana mba tsy holavin’ny firenena mpandray azy ka ho lasa fatiantoka. Manamafy ny anjara birikiny amin’ny tohana entiny ny minisitera toy ny efa nandrafetana ny politikam-pi­re­nena momba ny kalitao izay ivondronan’ny sehatra maro.

Ny laboratoara no miantoka ny fitiliana sy ny fanamarinana ny maha azo antoka ilay entana ka izany no maha zava-dehibe azy.

Tatiana A

Partager sur: