Mivoatra manaraka ny toetrandro ny asam-panjakana ka ny tontolon’ny nomerika izao no tolotra ampiasaina hanomezana fahafahampo ny mpanjifa. Nahazo fiofanana momba ny fanavaozana ny fitantanan-draharaham-panjakana ny mpiasam-panjakana any amin’ny faritra Sava. Nanomboka tamin’ity herinandro ity ny fiofanana, nampahafantarana koa ilay rindram-baiko Augure Compte Agent, izay fitaovana hanamorana ny fitadiavana izay tolotra rehetra mahakasika ny mpiasam-panjakana.
Nanokana vola mitentina 150 tapitrisa Ar ho vatsim-pianarana ny Confucius de Madagascar tao anatin’ny taona maromaro ho an’ny lalam-piofanana samihafa. Nahatratra 90 000 ny mpianatra efa nisitraka izany.
Ampandrosoy an-trano ireo mpamafy ranom-panafody mamono moka, araho ihany koa ny toromarika. Ndao hatory anaty lay misy odimoka hanamafisana ny ady amin’ny tazomoka. Toy izany ny fanentanan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka hampahomby ny paikady famendrahana ranom-panafody amin’ireo distrika 4 hanatanterahana izany.
Ny reny mampinono tsy misy fangarony dia manana risika ambany kokoa amin’ny homamiadan’ny nono. Manampy ny reny amin’ny fanelanelanana amin’ ny fomba natoraly ny isan’ny zaza ateraka ihany koa ny fampinonoan-dreny tsy mifangaro. Tsy tokony hohamaivanina, araka izany, ny fampinonoan-dreny.