Hanomboka anio, eny amin’ny Galaxy Andraharo, ny asa fanamboarana solon-tongotra maimaimpoana ho an’ireo nisoratra anarana amin’izany. Hahazo hafatra amin’ny SMS ireo hisitraka solon-tongotra ary mila mampandre ny tomponandraikitra kosa raha toa ka tsy maharay izany hafatra manokana izany mba hitadiavana ny vahaolana.
Maimaimpoana ny fampiofanana momba ny zaitra ataon’ny CUA izay nanomboka tamin’ity herinandro ity. Maharitra 1 volana ny fampianarana ary mpampianatra matihanina no miandraikitra izany. Tanjona ny hampanana asa ireo vehivavy sy renim-pianakaviana vonon-kiezaka.
Notoloran’Ambatovy fitaovana informatika ireo fitaleavam-paritry ny minisitera, borigadin’ny zandarimariam-pirenena ary kaominina ambanivohitra sasantsasany ao amin’ny faritra Atsinanana sy Alaotra Mangoro. Notsinjaraina ho andiany ny fanolorana ka nandritra ny andiany faharoa natao ny volana oktobra lasa teo, solosaina 35 sy “imprimantes” enina no nozaraina ho an’ireo mpiombona antoka.
Fampiofanana momban’ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana, natao ho an’ireo mpitondra « tricycles » sy Tuc tuc, no notohanan’Ambatovy tao Moramanga. Hanatsarana ny arolozan’ny fifamoivoizana ny anton’izany. Notanterahina tamin’ity taona ity ny andiany fahatelo, nahafahana nanofana mpanamory « tricycles » 215 tao Moramanga: 178 mpitondra Cyclo-pousse ary 37 mpanamory Tuc tuc.




