Atahorana ny fitrandrahana ala honko tafahoatra sy ny fiovan’ny toetr’andro any Manambolo, morontsiraka Andrefan’ny Nosy. Anisan’ny miantoka ny fiainan’ny mponina anefa ny honko.
Anisan’ny miantoka ny fiveloman’ny mponina, sy ny fitaovana ilaina ho an’ny fanamboaran-trano ny fisian’io ala honko io. Ilaina koa izy ho an’ny fitsaboana. Manoloana ny fiovan’ny toetr’andro, manana ny maha izy azy io karazan-kazo io, miaro ny vokatry ny rivodoza sy ny fihotsahan’ny tany. Mitroka rano sy mitahiry «carbone» izy toy ny ala an-tanety ihany.
Ny any Manambolo, miaro indrindra ny fari-dranomasina ny Nosy Barren amin’ny fisarahan’ny tany avy any Andrefana ; toy izany koa ny fiarovana ny faritra mando Manambolomaty (voasokajy Ramsar) ; ny ala Tsimembo sy ny tanimbary any Bemamba sy Soahany, miady amin’ny fiakaran’ny ranomasina vokatry ny fiovan’ny toetr’andro koa. Any amin’ireo ala honko ireo no mivelona sy mitombo ny maro amin’ireo trondro.
Miha ripaka nefa ny honko hatramin’ny 1980, izay miantoka ny fiainan’ny mponina, raha ny fahitan’ny FAO azy. Ny fikorontanan’ny toetr’andro sy fitrandrahana tafahoatra no maha potika azy ireo. Mitotongana, noho izany ny fiveloman’ny mponina any an-toerana, indrindra fa ny mpanjono sy ny mpanarato drakaka. Tsy voafehy koa ny fotoam-panjonoana amin’ny faritra sasany, miha manify ireo karazana hazandranomasina ireo.
Teknika tranainy
Loharano fidiram-bola amin’iny faritra iny ny jono, saingy mbola teknika tranainy ny ampiasaina sy ny fitahirizam-bokatra. Raha drakaka 15 kg ohatra, betsaka ny very amin’izany, 15 % noho ny fitahirizana azy tsizarizary, ary mety 50 % no very rehefa fotoam-pahavaratra.
Mazava ny antony, ny tsy fivoaran’ny mpanjono any Manambolo, anisan’izany ny fitokana monina sy ny fahasarotana vao mahita lalam-barotra. Ary tsy maivana izany na eo aza ny fifampiraharahana amin’ireo mpanangom-bokatra. Tokony tena miantoka ny fitantanana ireo olona any am-potony, tsy ampy fahalalana ara-teknika sy fandrindran’asa hisian’ny fahombiazana, ary tsy misy politika anatiny maharitra momba ny fiarovana ny ala honko anefa izy ireo. (Mbola hitohy)
Ndrina