Zava-dehibe amin’ny sehatry ny fandraharahana sy ny fivelaran’ny maha olona mihitsy ny fananana fahatokisan-tena sy fahasahiana mijoro miteny sy maneho hevitra ary manao fandresen-dahatra imason’olona.
Tsy ny olon-drehetra no manana herin-tsaina sy fahasahiana miteny ampahibemaso fa mila volavolaina sy fehezina mihitsy izany.
Noho izany indrindra no nahatonga ny fikambanan’ny vaiavy Mandritsara eto Antananarivo (Fivama) hampiofana ireo mpikambana ao aminy hanana fahasahiana hiresaka sy haneho hevitra ampahibemaso.
Mandritra ny 5 herinandro, etsy Analakely, ny fampiofanana omena ireo andriambavilanitra, mpianatra, renim-pianakaviana, mpandraharaha amina sehatra marolafy. Ratsimisetra Ideali, efa matihanina amin’ny fanofanana momba ny fifehezana ny fitenenana imasom-bahoaka kosa no mizara ny traikefany amin’izany. “Natao mba hananan’ireo vehivavy fivelarana amin’ny maha olombelona amin’ny sehatrasa misy azy avy izao fiofanana izao”, hoy ny filohan’ny Fivama, Razafindrafotsy Joela Martine.
Aorian’ity hetsika ity dia hampiofana mahakasika ny fifehezana ny teny frantsay indray ny fikambanana miaraka amin’ny Elf Center. Tanjona ny hahatonga ny vehivavy hahaleo tena sy handray andraikitra amin’ny fampivoarana ny fiainany. Teny filamatry ny Fivama ny hoe: Vehivavy mandray an-tanana ny momba azy antoky ny hoavy mamiratra.
Ilaina ny mifehy ny hodidina rehetra
Miomana amin’ny ara-batana, ny fomba fiakanjo tokony hatao mampahazo aina sy eken’ny saina fa maharesy lahatra ny mpanatrika. Tena zava-dehibe indrindra koa ny fiomanana ara-tsaina, hiatrika mason’olona marobe.
Miomana mialoha amin’ny pitsopitsony, ny hevitra tiana hoampitaina, ny voambolana hoampiasaina…Maka fotoana manokana vetivety mialoha ny hisehoana ampahibemaso hakana fitoniana, hisentoana lalina, hanariana ny mety ho tebiteby sy tahotra mety hanembatsembana.
Hatao ireo fiomanana rehetra mba hanamaivana ireo tranga tsy ampoizina. Ampandraisina anjara avokoa ireo ekipa mpiara-miasa mba hahalavorary ny fandraisam-pitenenana. Anisan’izany ireo ekipa teknika, mpandrindra ankapobeny….
Mila mahay miatrika ny tsy ampoizina ihany koa anefa, mifehy ny fihetseham-po sy ny fihontanan-tsaina amin’ireo mety hitranga eny antsefatsefany eny.
Iankinan’ny fandresen-dahatry ny mpanatri-maso avokoa izany ka tsy azo atao ambanin-javatra.
Tatiana A




