Olan’ny herinaratra: Niketrika fitaovana ny VTM

Nampahafantatra ny fitaovana vitany, niainga amin’ny fikarohana nataony, ny Von­dron’ny tanora (VTM). Nam­baran’ny filohany, Rakotoma­laza Desiré, fa anisan’ny antony nahatonga azy ireo nikaroka sy nitady vahaolana ny fahitana ny fahasahiranan’ny vahoaka eo amin’ny delestazy sy ny fahatapahan’ny herinaratra. Eo ny fahasimban’ny fitaovana rehefa miseho izany na koa fahapotehan’ny fihariana madinika mampiasa herinaratra. Tsy nitazam-potsiny anefa izy ireo fa niketrika ary izao nanapa-kevitra izao ho fanampiana ny mpiara-belona. “Nanamboatra fitaovana mahazaka 220 V izahay ary afaka mamaha ny olana mandra-piverin’ny jiro”, hoy izy. Niaiky anefa ny tenany fa tsy mahasolo tanteraka ny Jirama izany. Natao hanampy amin’ny fotoana hahatapan’ny jiro izany, araka ny nambarany. Nanteriny fa nanaovana fandalinana manokana sy fikarohana ary nosedraina izany fitaovana izany ka hanaovan’ny VTM fanamby. “Tsy tokony ho olana intsony izany ny fahatapahan’ny herinaratra. Maharitra fotoana hatrany amin’ny 12 ora ny fahafaha-mampiasa ny fitaovana”, hoy izy. Tsy mena mihata amin’ny hafa ary tafiditra amin’ny fotokevitra sy hetsika ataon’izy ireo amin’ny fivoizana ny angovo maitso. Tahaka ny efa nikarohana sy namoahana ny vokatra saribao, mikajy ny tontolo iainana, araka ny nambarany.
Tsiahivina fa efa nisitraka izany fitaovana izany na ny olon-tsotra na orinasa ary samy naneho ny fahafaham-pony amin’ny fampiasana izany fitaovana novokarin’ireto tanora ireto izany.

Synèse R.

Partager sur: