Notontosaina nandritra ny 3 andro izay nifarana ny alakamisy lasa teo, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja ady totohondry. Mpikatroka manodidina ny 200 no nandray anjara, izay maro be ny avy any amin’ny faritra no nifaninana. Tsy fandraisana anjara fotsiny anefa ny nataon’ireo mpikatroka avy any amin’ny faritra ireo fa nampiseho ny fahaizany tokoa. Saika azon’izy ireo avokoa ny medaly volamena nandritra ity fifaninanam-pirenena ity, raha ny vokatra azo. Tamin’ireo famaranana 20 natao, azon’ny avy any amin’ny faritra ny fandresena 18. Atsimo Andrefana, Amoron’i Mania, Menabe, Atsinanana, Atsimo Atsinanana no tena nisongadina tamin’izany izay manana mpikatroka manana ny maha izy azy. Tsiahivina fa nitiliana izay handrafitra ny ekipam-pirenena hanao fampivondronana hiatrehina ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, Zone 4, hatao any Mozambika, ny volana desambra izao, ity fifaninanam-pirenena ity. Mikasa ny handefa mpikatroka 4 ny Federasionina malagasin’ny ady totohondry izay niantso fanohanana ho an’ireto atleta malagasy ireto.
Araka ny fantatra, tontosa ny herinandro teo koa ny fifidianana izay ho filohan’ny FMB, ka lany tamin’izany, Rabarison Hery Mamy. Nambarany fa mila mahay mifandamina ny Malagasy samy Malagasy mba hahafahana manaraka ny rafitra iraisam-pirenena. Nisaotra ny Komity olympika malagasy, ny MJS, ny filohan’ny FMB nanampy azy ireo, tamin’ny fanatontosana ity fifaninanana nasionaly, sokajy “Jeunes” sy “élites” ity.
Mi.Raz