Vitsy no manao ny famorana antsakany sy andavany ankehitriny noho ny antony maro. Mbola ataon’ny rehetra kosa anefa izany, indrindra ny Malagasy.
Fanesorana ny lohatsitsy na ilay hoditra mamono ny lohan’ny taovam-pananahan’ny lehilahy iny no atao hoe famorana. Anisan’ ireo firenena manao izany ary manasokajy azy ity ho fomba mihitsy ny eto Madagasikara. Marihina anefa fa tsy ny eto an-toerana ihany no manao azy ity fa firenena maro maneran-tany. Misy karazany maro ny fiantsoana ny famorana eo amin’ny Malagasy ary miovaova isaky ny foko izany. Mety misy fahasamihafana ihany koa ny fombafomba amin’ny fanatanterahana azy. Eto amin’ny faritra Analamanga dia antsoina hoe « famorana »,
« didim-poitra », « hasoavan-jaza » izany fomba izany ary tanterahina isaky ny ririnina. Ho an’ny faritra Atsimo Atsinanana dia atao hoe « sambatra » ka isaky ny 7 taona, mandritra ny volana oktobra no anaovana azy. Antsoina kosa hoe « savatse » ny famorana ho an’ny faritra Atsimo Andrefana.
Fomba tranainy ary nataona firenena maro
Ara-tantara, fomba mampanana sata vaovao ny famorana eo amin’ny jodaisma. Fanehoana ny fanadiovana ara-panahy kosa izy ho an’ny Silamo tany Egypta, taloha. Tany amin’ny taona 2 300 talohan’i Jesoa Kristy dia efa nisy ny famorana izay heverin’ ny mpikaroka fa natao ho famantarana ny andevo. Fomba ara-pivavahana efa be mpanao tamin’ny andron’i Abrahama moa izany. Raha ho an’ny eto Madagasikara kosa, ny mpanjaka Andriamanelo no nitarika izany fomba izany. Nosokajiana ho anisan’ny An-kasoavana lehibe indrindra teo amin’ny fiainan’ny lehilahy izany, teo amin’ny Ntaolo malagasy. Noraisina ho fahaterahana vaovao ho an’ny zazalahy kely ny didim-poitra ka rehefa vita izany izay vao azo lazaina fa tena lehilahy sy tafiditra ho anisan’ny fianakaviana. Tsy tafiditra ao amin’ny fasan-drazany mantsy ny lehilahy tsy vita hasoavana teo amin’ny Ntaolo.
Fomba sy dingana arahina

Ny vanim-potoana ririnina no fanaovana ny famorana eto Madagasikara mba hahamora sy hanafaingana ny fahasitranan’ny fery. Miankina betsaka amin’ny fomban-tany ihany koa anefa ny fanatanterahana azy. Ho an’ny eto Imerina manokana, ny rainjaza na ny mpanasitrana nentim-paharazana no manao ny hasoavan-jaza amin’ny fomba gasy. Mila manatona mpanandro ny fianakaviana ahafantarana ny andro hanatanterahina izany. Kendrena mba ho andro tsy manonto vintana ho an’ilay zaza. Alohan’ny fiposahan’ny masoandro no hanaovana ny didim-poitra. Ao amin’ny trano fonenan’ny zaza ihany moa no atao ny famorana.
Misy ireo fombafomba maro tanterahina ho fiomanana amin’izany. Anisany ny fakana voatavo arivolahy, vatan’akondro atao fametrahana lahan-jiro, fary maromaro tsy miala lohany, volotara, akondro tonga lafatra… Apetraka eo amin’ny zoro firariazana ireo rehetra ireo ary olona mbola velon-dray aman-dreny no miandraikitra izany. Mandritra ny fikarakarana dia tsy mahazo mamaha volo fa mirandrana avokoa ny vehivavy. Miara-mikorana, mihirahira, mandihy, mandefa mozika mafy ny mpianakavy sy ny mpanotrona miaraka amin’ny zaza hatao didim-poitra mba tsy hatorian’ity farany.
Vao maraim-be dia mizotra maka ny « rano mahery » eny amin’ny loharano tsy ritra ny tovolahy matanjaka amin’ny fianakaviana. Misy andian-dehilahy manaraka moa izy amin’izany. Rehefa mitodidoha hiverina izy dia sakanan’ireo olona niandry eo an-toerana mba tsy hahatongavan’ny rano mahery ao an-trano. Anjaran’ilay tovolahy niloloha azy no miaro sy manao izay hahatafiditra izany ao an-tokantrano. Izany dia hirariana ny zaza mba hatanjaka, tsy ho farofy, tsy ho resy an’ady ary ho tafita soa.
Vitsy amin’ireo fomba amam-panao manditra ny famorana ireo sisa no tanteraka ankehitriny. Antony maro no mahatonga izany. Eo ny tsy fahafantaran’ny ray aman-drenin’ilay zaza atao hasoavana. Eo ihany koa ny fahasahiranana ka atao tsotra, araka izay ananana, ilay lanonana fa tsy atao intsony ireo fomba maro samihafa ireo. Manampy izany koa moa ny fandrosoan’ ny siansa sy ny fitsaboana ka mamono tsikelikely ny fomba amam-panao.
Nanatontosa : Lin




