INDRAY MIJERY

Natao teny Ambohidratrimo ny atrikasa manamafy ny andraikitr’ireo sehatrasa momba ny fanabeazana ho fandrindrana ny fiatrehana ny loza voajanahary mba tsy hisy akony loatra amin’ny fitohizan’ny asa fampianarana. Hahafahan’ny eny ifotony mifehy ny trangan-javatra tsy hiantraika mafy ka hanelingelina ny fampianarana no anton’ny atrikasa.
Faritra 3 toa an’Antsirabe I, Sakaraha, Toliara I, sy tanàna 5 no nisitraka ny faradoboky ny Caravane médicale 2024. Mpiasan’ny fahasalamana maherin’ ny 100 no nifarimbona nanatanteraka izany. Ny faritra Atsimo no nandray ireo tolotra ara-pahasalamana marolafy nandritra ity faradoboka ity.
Nofanina amin’ny fanodinana baoritra ny ekipan’ny RF2 ao amin’ny kaominina Antananarivo Reni­vohitra. Ahodina ho lasa arina izany baoritra izany. Natao izany mba hanampiana ny fidiram-bolan’ny RF2. Misy ny fiaraha-miasa amin’ireo orinasa manary baoritra maro ho azon’izy ireo havadika arina fandrehitra.
Manaitra ny sain’ny tanora ny BNLTEH ny hampitomboina ny fahamailoana amin’ny fampiasana ny tambajotra sosialy. Maro ireo mpanararaotra sy mpisoloky any anatin’izy ireny ka mila mitandrina. Misy miseho ho namana tsara kanefa mikendry hatrany amin’ny famarinana olombelona.

Partager sur: