Migadra mandra-pahafaty : mpirahalahy namono ny ray aman-dreniny

Niakatra fitsarana, omaly, ireo mpirahalahy, nilaza fa noentin-javatra ka namono ny ray aman-dreniny sy ny zandriny. Voa­sazy higadra sy manao asa an-terivozona mandra-pahafaty izy ireo.

Hafa kely, tsy faheno matetika….! Notsaraina teo anivon’ny sampam-pitsarana misahana ny ady heloka bevava tany Toama­sina, ny zoma 8 novambra lasa teo, ireo mpiray tampo roa lahy, namono nahafaty ny ray aman-dreniny ary ny zandrikelin’izy ireo. Nitondra ny laharana faha-76- Toa/24, ny fanenjehana ireto nahavanon-doza ireto.
Fantatra nandritra ny fakana am-bavany azy ireto teo anivon’ny fitsarana fa nihaiky ny heloka vitany izy roa lahy. “Tsy tompon’ny tenanay izahay fa noentin-javatra ka na­havita namono ny ray aman-dreninay sy ny zandrinay izay mbola kely”, raha ny fanazavana nataon’izy ireo nandritra izany. Ankoatra izay, nohazavain’izy ireo ihany koa fa na­mono ny rainy ny iray tamin’izy ireo. Raha toa ka nandatsaka ny ain’ny reniny sy ilay zandriny mbola am-babena kosa ny iray hafa. Rehefa hitan’izy roa lahy fa maty ireo novonoina, nafenina tany anaty tanimbary ny fatin-dreniny sy ilay zaza. Navalan-drano kosa ny fatin-drainy mba tsy hisy hahafantatra ny anton’ny nahafaty azy ireo, raha ny fanazavana hatrany.
Taorian’ny fihainoana azy ireo teny amin’ny fitsarana, nilatsaka ny didy ary voaheloka higadra sy hanao asa an-terivozona mandra-pahafaty izy roa lahy ireto. Tambin’ny fandatsahan’aina sy ny heloka bevava nataon’izy ireo izany.
Raha tsiahivina, nitrangana vono olona telo mianaka tany Andasibe, kaominina ambani­vo­hitr’Ambodilazaina, distrikan’i Toamasina II ny 9 no­vambra 2021. Nanomboka teo ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana sy ireo tomponandraikitra maro samihafa nahafantarana ireo nahavanon-doza tamin’izany. Voasam­bo­tra sy nahiana nanao io tranga io ny roa lahy mpiray tampo ta­min’ireo maty. Natao ny fanadihadiana sy ny fitanana an-tsoratra azy roa lahy ireto nanomboka teo ary izao niakatra fitsarana izao ny raharaha.

Nahazo didy famotsorana fa tsy afaka nivoaka ny fonja

Ankoatra izay, anisan’ny niakatra fitsarana, ny alarobia 6 novambra lasa teo, koa ny taratasin’ady mitondra ny laharana faha 13-toa/24. Naha voarohirohy olona telo samihafa, nanantanteraka fandrombana miaro fampiasana fitaovam-piadiana trano iray tany Toamasina ny 06 no­vambra 2023 lasa teo. Tranga nahafetasan’olona iray, naharatrana ramatoa iray ary naharobana moto iray io fanafihana io. Nahazo fahafahana vokatry ny fisalasalana tamin’ny mpitsara izy telo ireto, taorian’ ny didy nilatsaka teny amin’ny fitsarana.

Nametraka fanohanana ny mpampanoa lalàna

Tsy niandry ela ny mpampanoa lalàna ambony, nanoloana ny valin’ny fitsarana teny an-toerana. Valim-pitsarana izay manambara fa marim-pototra ny fanatanterahan’ireto voampanga ireto ny fanafihana nataon’izy ireo he­rintaona lasa izay. “Mitombina tsara ny fanafihana nataon’ireto olona telo ireto satria nasehon’ilay niharamboina ny sariny naratra mafy vokatry ny tranga izay niditra hopitaly”, hoy izy. Tsy niandry ela fa na­metraka fanohanana io didy famotsorana azy telo lahy io ity mpampaoana lalàna ity. Vokany, tsy afaka mivoaka ny fonja izy telo lahy ireo na dia afaka noho ny fisalasalana aza fa tsy maintsy miandry ny fotoam-pitsarana hafa indray.

Tsy fanatrehan’ny mpangataka onitra ny fitsarana

Amin’ny ankapobeny, saika tsy tonga manatrika fotoam-pitsarana mahakasika ny ady heloka bevava ireo mpangataka onitra na ny mpitory na ireo vavolombelona momba izany, raha ny zava-misy. Lasa mora ny fiarovan-tenan’ireo voampanga amin’ny raharaha mafy sy lehibe amina trangam-piarahamonina eny anivon’ny faritra iray, vokatr’izany. Manampy izany, ny mpisolovava maimaimpoana omen’ny lalàna hiaro ireny olona voampanga mahakasika io heloka bevava io. Anjaran’ny vadintany ny miandraikitra sy manao ny fiantsoana ireo olona hiatrika ny fotoam-pitsarana ireny, raha ny fanadihadiana natao teny anivon’ny fitsarana.

Tahotra ny hisian’ny valifaty

Misy antony maro ny mahatonga ireo olona tsy tonga manatrika ny fotoam-pitsarana ireo”, hoy ny filohan’ny holafitry ny vaditany, ny Maitre, Rarivoarivony Andriatafaniaina Haja Fitiavana, raha nanontaniana. Mety ho anton’izany, ny fiovan’ny adiresy hipetrahan’ireny olona ireny ka tsy hita ny trano onenany. Misy ihany koa ny tsy te hifanatrika amin’ireo jiolahy noho ny tahotra mety hisian’ny valifaty ataon’ireny voampanga ireny na ataon’ny fianakaviany rehefa tafavoaka ny fonja. Eo koa ny antony maro samihafa.

Nanatontosa : Sajo

Partager sur: