Barea de Madagascar : «Tsy misy kajikajy hafa», hoy i Amada

Iray andro mialoha ny lalao hikatrohana amin’ny Aigle de Carthage Tunisie, ny Barea de Madagascar, anio. Lalao hatao any Afrika Atsimo, rahampitso alakamisy ary tafiditra amin’ny andro fahadimy hiadiana ny tapakila hiatrehana ny Can 2025, tontosaina any Maroc. “Lalao goavana ny rahampitso ary tsy misy ny kajikajy fa tsy maintsy mandresy an’i Tunisie izahay raha tiana ny hanao Can indray”, hoy i Ibrahim Amada, kapitenin’ny ekipam-pirenena malagasy, omaly. Ankoatra izay, efa any an-toerana avokoa ireo Malagasy mpilalao nantsoin-dRakotondrabe Romuald Felix (Coach Rôrô), handrafitra ny Barea raha toa ka andrasana anio ny fahatongavan’i Arnaud sy i Thierno. Vonona ny haka fandresena manoloana an ‘i Tunisie ny Barea. Fanontaniana mipetraka kosa izay hanolo ny toeran’i Sonny Laiton, mpiandry tsatoby. Aorian’ity andro fahadimy ity, hifandona amin’i Comores indray ny Barea. Lalao hatao any Maroc, ny 18 novambra ho avy izao. Tsiahivina fa tsy ao anatin’ny lisitra nantsoin’ny Coach Rôrô, i Clément Couturier sy i Loic Lapoussin ary i Berajo sy i Demoleon ary i Hakim Abdallah.

Fitia Randria

Partager sur: