Nasiam-panavaozana ny EPP Vatotsara ao amin’ny fokontany Mahafaliarivo, kaominina Mangarano, distrikan’ Antsirabe II, faritra Vakinankaratra. Efa tena tranainy ary nampalaina ny mpianatra na ny nianatra taminy aza teo aloha.
Vita voatra izany amin’izao fotoana noho ny tolo-tanana nataon’ny Fondation Axian. Efitrano 5 hahafahan’ny mpianatra 229 mianatra no nohavaozina tanteraka ho azo ianarana sy hampazoto ireo mpianatra sy mpampianatra. Ny toeram-pidiovana sy ny tahirin-drano hahafahana mamatsy ny sekoly ihany koa dia namboarina tanteraka, izay hiantoka ny famatsiana rano madio sy ara-pahasalamana.
“Tsy ny ankizy rehetra no misitraka sekoly tsara endrika sy maha te hianatra toy izao anay eto amin’ny EPP Vatotsara izao fa nanana tombony izahay nahazo fotodrafitrasa mamiratra sy voadio toy izao”, hoy ny talen-tsekoly.
Sady mampisokatra ny sain’ny mpianatra no hamparisika azy ireo amin’ny fianarana ataony ny fananana sekoly vita tsara.
Tetikasa nahafahana nitondra tohana ho an’ny sehatry ny fampianarana any amin’ny faritra, amin’ny maha mpiara-miomobon’antoka amin’ny sehatry ny fanabeazana no natao teto Antsirabe, hoy ny talen’ny Fondaton Axian Isabelle Salabert.
Mifantoka indrindra amin’ny tontolo ambanivohitra sy alavitra, saro-dalana ny tetikasa momba ny fanabeazana ataon’ny Axian.
Tatiana A