Fivoriana faha-33 Africa Rice : mizara ny paikady hampiakarana ny voka-bary i Madagasikara

Madagasikara no nandray ny fivoriana faha-33 ny filankevitry ny minisitra mpikambana ao amin’ny Africa Rice, 28 ny firenena mpandrafitra izany.

Voalohany no mampiantrano ny fivoriana isika taorian’ny fidirana ho mpikambana ao amin’ny Africa Rice, ny taona 2011. “Vondrona afrikanina misahana ny fampiroboroboana ny famokaram-bary ny Afrika Rice ka ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana no misolotena an’i Mada­gasikara ao”, hoy ny minisitry ny Fambolena sy fiompiana malagasy, Hajarison François Sergio, omaly, teny Anosy. Vinan’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, ny fanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo amin’ny fampiakarana ny voka-bary ho 1 tapitrisa taonina mandritra ny taom-pambolena 2024-2025 ka zava-dehibe ny filankevitry ny minisitra mandritra ny hateloana eto Antananarivo hakana traikefa amin’ireo firenena afrikanina mpikambana. Fahatelo isika amin’ny habetsahan’ny voka-bary, aorian’i Nigeria sy Egypta.
Nisy ny fivoriana teknika fizarana traikefa ho an’ny firenena mpikambana rehetra, omaly. Anio kosa, hiresaka ny famokaram-bary eto Mada­gasika ary hizara ny paikady hampiakarana ny voka-bary eto amintsika ny Malagasy teknisianina sy ireo mpiandraikitra fandaharanasa, hanatsarana ny vokatra. Anisan’ny paikady ny fampitomboana ny velaran-tany hambolena vary, velarana 1 900 000 ha no voavoly vary isan-taona izay azo ampiakarina ho 2 500 000 ha. Eo koa ny fampiasana maso­m­boly voanfatina sy voamarina miaraka amin’ny fikirakirana zezika mineraly. Eto amintsika, 10% ny tantsaha ihany no mampiasa masomboly voafantina, toy izay koa ny zezika (mineraly, organika). Zava-dehibe ny fanapariahana ny teknikam-pambolena mahomby sy ny fampitomboana ny fikarohana momba ny masomboly sy ny teknika. Manana faritra 16 hampiroboroboana ny fambolem-bary i Mada­gasikara ary manome tosika ny minisiteran’ny Fam­bolena mba hanohanana ny tantsaha amin’ny masomboly, zezika, teknika mahomby amin’ireo toerana ireo.

Vonjy

Partager sur: