Ho fitantanana ara-drariny ny fako sy ho fahadiovan’ny tanànan’Antananarivo, natsangana ny tetikasa “Gesda” izay fanavahana ny karazana fako miainga any amin’ny isan-tokantrano.
Mila apetraka isan-tokantrano ny fahaizana manavaka ireo karazana fako, ny plastika, ny fako mora lo, ny tavoahangy… hanamora ny fitantanana azy.
Afaka ahodina avokoa ny karazana fako rehefa voaavaka tsara.
Efa nampiharina nandritra ny volana maro, tao amin’ny fokontany Ampefiloha, ny tetikasa. Efa mahay mandrindra ny fanavahana ireo karazana fako ireo ny 70% ny tokantrano ao an-toerana. Haparitaka amin’ireo fokontany hafa izany ho lasa fomba fanao sy fahazarana tsara.
Hampihena ny fivangongoan’ny fako ny fanangonana ireo fako mbola azo hahodina sy havadika ho zavatra fampiasa indray. Ny fako mora lo azo amin’ny potika hanina sy legioma dia azo angonina ary havadika ho zezika. Ny karazana plastika dia mbola azo havadika ho akora hananganan-javatra hafa.Misy rahateo ireo orinasa manangona ireny fako plastika ireny, toy ny koveta na daba vaky na tavoahangy plastika.
Fomba fiasa nalain-tahaka avy amin’ny firenena japoney io fanodinana ny fako ho azo hampiasaina indray io ary ampiharina eto amintsika. Miainga any amin’ny fanazarana ny ankizy ao an-tokantrano mihitsy ny fanombohana ny fanavahana ireo karazana fako mba tsy hifangaro.
Tatiana A