Hiditra amin’ny vanim-potoan’ny orana isika atsy ho atsy ka efa samy manao ny ezaka amin’ny fanadiovana ireo lakandrano ny isan’ambaratongany .Nanadio ny lakandrano mirefy 260 m, teny Faliarivo Ambanidia sy Ampasanimalo, ny CUA ny SMA niaraka tamin’ireo orinasa manodidina eny an-toerana.
Nofanina ireo mpitatitra sy tompona fiara ary ireo mpandrindra ny kaoperativa any Mahajanga. Ifarimbonan’ny Dirtm, ny ATT, ny fitsarana fiara ary ny zandary ny fanofanana. Ny tsy hisian’ny loza mahatsiravina sy hamoizana ain’olona no tanjona amin’ny fampanarahan-dalàna ny sehatry ny fitaterana.
1 500 t isan-taona ny masomboly zarain’ny minisiteran’ny Fambolena, raha 12 000 t ny filana. Ilaina ny fiaraha-miasa amin’ny fikambanan’ny tantsaha mpamokatra masomboly voamarina sy voafantina hampiakarana ny voka-bary eto amintsika. Mampitombo velarana 30 000 ha isan-taona ny eto amintsika hambolena vary nefa manary 30 000 ha koa noho ny amin’ny rano, izay olana iraisan’i Afrika.
Tao anatin’ny telo taona farany, niakatra ho 2,7t ny voka-bary eto amintsika, raha 2,5t izany teo aloha. Kely ny fiakarana azo ka ilaina ny fanamafisana sy fampiroboroboana ny fambolem-bary amin’ny fampiasana ny masomboly “hybride” satria manome vokatra betsaka isaky ny hektara izany.