Fiaraha-miasa : haka traikefa amin’ny Tafika Egypsianina ny Malagasy

Nitsidika ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin, teny amin’ny toeram-piasany, Ampahibe, omaly, ny Jly Mohamed Abdelsadek Abdelgil Farg, tomponandraikitra ny fiarovana egyptianina.

Nanamafy ny fahavononan’i Egypta hiara-miasa ara-tafika amin’ny firenena malagasy izao fihaonana izao. Fiaraha-miasa hiompana amin’ny fampiofanana miaramila malagasy amin’ny sehatrasa maro mba hampitomboana ny fahaiza-manao, hanomezana teknika amin’ny lafiny fiarovana. Nanamafy ity manamboninahitra jeneraly ity fa tsy voatery handeha any ivelany intsony ny miaramila malagasy fa tafiditra ao ana­tin’ny vinan’asa hoentin’ny Ta­fika egypisianina ny handefa miaramila manam-pahaizana hizara ny traikefany eto Ma­da­gasikara. Nohamafisin’ny MFA fa misokatra amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena ny Tafika Malagasy ary vonona hatrany hitarika amin’ny fivoarana sy fampandrosoana ho an’ny tsirairay.
Taorian’ny fitsidihan’ity manamboninahitra egypsia­nina ity teny amin’ny MFA, tonga nitsidika ny lehiben’ny etamazaoron’ireo Tafika, ny Jly Deramasinjaka Manantsoa Rakotoarivelo, teny Andohalo, indray izy. Voaresaka tao anatin’ny fihaonana ny fanamafisam-piaraha-miasa eo amin’ ny Tafika Malagasy sy ny Ta­fika egypsianina. Niompana tamin’ny fampitomboana ny fahaiza-manaon’ny Tafika Malagasy amin’ny alalan’ireo fampiofanana maro isan-karazany ny fiaraha-miasa.

Jean Claude

Partager sur: