Nanamarika ny andron’i Masindahy Martin, olomasina mpiaro ny fitantanan-draharahan’ny Tafika, ny eo anivon’ny DCCA Foibe fitantanan-draharahan’ny Tafika, ny 11 novambra 2024, toy ireo tafika maneran-tany mankalaza izany. Roa andro ny fankalazana ka nisy ny fanolorana mariboninahi-pirenena ho an’ireo miaramila nahavitabe teo anivon’ity sampandraharaha ity, notontosaina teny anivon’ny foiben’ny DCCA Soanierana. Nanome voninahitra ny lanonana sady nanolotra ireo mariboninahitra ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin. Dimy nahazo ny mariboninahitra Commandeur de l’ordre national malagasy, enina nahazo ny Officier de l’ordre national malagasy ary folo nahazo Chevalier de l’ordre national malagasy. Nisy koa ny fanolorana ny amboara ho an’ireo ekipa nandray anjara tamin’ ny fifaninanana ara-panatanjahantena nankalazana an’i Masindahy Martin. Nampirisika ireo mpiasa hanohy ny ezaka tsara hatrany ny MFA satria anisan’ny sampandraharaha lehibe iankinan’ny asan’ny Tafika Malagasy amin’ny sehatra rehetra ny DCCA.
Jean Claude