Asief nasionaly 2025 : tsy mandray anjara izay tsy manana “matricule”

Nandray fanapahan-kevitra hentitra mahakasika ny fitsipi-pifehezana eo anivon’ny Asief (Association sportive interministérielle pour L’en­tretien des fonctionnaires) ny biraon’ny Asief. Tsy afaka mandray anjara amin’ny Lalaon’ny mpiasam-panjakana intsony manomboka izao izay tsy manana laharana, “matricule”. Io no nambaran’ ny filohan’ny Asief, Andria­narison Jhon Love, omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny Fana­tanjahantena Mahamasina. Nohamafisiny fa tsy miresaka CNaPS intsony amin’ny fanamarinana ny maha-ara-dalàna ilay mpilalao. Ho fanatsarana hatrany ity fikambanana ity no anton’izany fanapahan-kevitra izany, hoy ny fanazavany. Tsiahivina, nifarana omaly, ny fifaninanana ho an’ny “vainqueurs de coupe”, ka teo
amin’ny taranja Basikety, lasan’ny avy ao amin’ny fiadiadiana ny Repoblika ny ho an’ny sokajy veterans, vehivavy, raha ny MTP no nahazo ny “Jeunes seniors”.
Ho an’ny Volley dia ny PRM no nandrombaka izany raha ny Zandary no nahazo ny “super coupe”. Nisaotra ny fitondram-panjakana tarihin’ ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra i Jhone Love namela malalaka ny mpi­asam-panjakana hanao spaoro.

Mi.Raz

Partager sur: