Zaza kambotin’ny polisy : nahazo tohana avy amin’ny masoivohon’i Etazonia

Nanolotra boky miisa 600 ho an’ny akany fitaizana zaza kambotin’ny polisim-pirenena, ao Ambatolampy, ny Masoivohon’i Etazonia eto Madagasikara, Richard Hays. Natao hampitaovana sy ho fanampiana ireo ankizy beazina eo anivon’ny akany ireto boky ireto. Ahitana boky fampianarana, boky natokana ho an’ny ankizy ary « roman » ireto natolotry ny Amerikanina ireto. Nandray izany, tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka, ny Sekretera jeneralin’ny polisim-pirenena, ny contrôleur général de police Randriambelo Mandimbin’Ny Aina, sy ireo mpiara-miasa aminy. Nambarany fa hato­lotra ireo ankizy ao amin’ny akany ireto boky ireto ka inoana fa hitondra vokatsoa amin’ny fanabeazana azy ireo. Nambaran’ity manamboninahitra ity fa manan-danja hatrany ny famakiana boky na eo aza ny fisian’ireo teknolojia vaovao izay efa tena mandroso tokoa amin’izao fotoana izao. Manohana hatrany ireo zanaky ny mpitandro filaminana lavo am-perinasa ny eo anivon’ny masoivoho Amerikanina.

J.C

Partager sur: