INDRAY MIJERY

Tomponandraiki-panjakana miisa 44, avy ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana, no nomena fiofanana mahakasika ny fampahafantarana ny famarinana olombelona. Nampahafantarina azy ireo, nandritra izany, ireo karazana endrika famarinana olombelona misy eto Madagasikara. Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny BNLTEH amin’ny fanentanana.
Bheki no anarana hoentin’ilay rivodoza miforona ao amin’ny ranomasimbe Indianina, rehefa nahafeno fepetra. Rivodoza faharoa ao anatin’ity taom-pahavaratra ity i Bheki. Mbola any amin’ny 2 500 km atsinanan’ny morontsirak’i Madagasikara no misy azy, omaly. Tsy mbola misy fiantraikany amin’ny toetr’andro eto amin’ny Nosy izy.
Mitohy anio ny fivoriana faha-33 andraisan’ny minisitry ny Fambolena avy amin’ny firenena Afrika­nina mpikambana ao amin’ny “Africa Rice” anjara, eny Anosy. Mahatratra 750 tapitrisa ny olona mihinam-bary aty Afrika, milanja 23 tapitrisa taonina ny vokatra raha 38 tapitrisa taonina ny vary jifain’ireo vahoaka ireo. Ma­mokatra vary 2,3t isaky ny hektara amin’ny ankapobeny ny tanimbary ary ny vary an-tanimbary mampiasa rano betsaka no ataon’ny tantsaha.

Partager sur: