Mpangala-bary: jiolahy maty voafira tamin’ny antsim-bilona

Maty tsy tra-drano ny mpan­gala-bary sarona tao An­driamifidy, fokontany Ate­tindravita, kaominina Ikala­lao, anatin’ny distrikan’Am­bo­himahasoa, ny alarobia 28 desambara teo. Tokony ho tamin’ny 10 ora maraina, na­haray antso avy amin’ ny ben’ny Tanàna ao an-toerana ny zandary fa nitrangana halatra vary tao anatin’ny fokontany. Nidina ifotony nijery izany niaraka tamin’ny mpitsabo izy ireo. Efa nitsirara tsy nisy aina intsony teo amin’ny tany ny fatin-dehilahy iray. Araka ny zava-nitranga ny alina, nisafo ny variny ity le­hilahy ity. Tratra teo am-pijinjana ny vary nefa ny jiolahy telo lahy. Nitsoaka avy hatrany ny roa lahy. Nijanona ary nampitahotra ity tompom-bary ity tamin’ny antsy teny an-tanany ny mpangalatra iray hafa. Niaro tena, tsy nihemotra ilay tompon’ny tanimbary fa nikapa avy hatrany ny tongotr’ilay jiolahy tamin’ny antsim-bilona teny aminy. Niantso ny fokonolona io saika voaroba io raha toa ka tsy afa-nandositra noho ny tongony naratra mafy ilay mpangalatra. Nentina nihazo ny hopitaly ilay mpangalatra naratra mafy saingy tsy tana intsony ny ainy.

Tsiferana Randriatiana

Partager sur: