Omaly, tany amin’ny 2900 km avaratra atsinanan’Antsiranana no misy ny foiben’ilay rivodoza Bheki. Sokajiana ho « Forte Tempête Tropilcale » izy. Mikisaka mianatsimo somary atsimo andrefana ny diany amin’ny hafainganam-pandeha 9 km/ora.
Tsy mbola hisy fiantraikany amin’ny toetry ny andro eto Madagasikara izy ato anatin’ ny telo andro ho avy, raha ny vinan’ny mpamantatra ny toetry ny andro, etsy Ampandrianomby.
Arahi-maso hatrany kosa ny fivoaran’ity rivodoza ity, izay mikisaka miadana ary manangona hery any an-dranomasina.
Mivangongo amin’ny ilany andrefan’i Madagasikara ny oram-baratra ao anatin’ny 3 andro misesy. Ho maina tanteraka kosa ny andro amin’ny afovoantany ary mihoapampana ny hafanana satria tafakatra 34°C izany.
Mila miaro tena ireo sokajin’olona marefo manoloana ny hafanana sy fahalotoan’ny rivotra ka tokony tsy hivoaka ny trano raha azo atao. Anisan’ izany ireo zokiolona, ny reny bevohoka ary ny zaza sy ny ankizy. Misotro rano matetika, mamonjy aloka rehefa mandeha ary akanjo maivana no anaovana ho an’ireo tsy maintsy hivoaka ny trano.
Tatiana A