Niara-niasa nanomboka ny taona 2021 tamin’ny JCR groupe, mpanodina ny vokatra voajanahary avy amin’ny zavamaniry « Vaniala », Andriambololona Hajanirina Zo, judoka, mpikambana ao amin’ny ekipam-pirenena malagasy ho an’ny latsaky ny 78kg. Nandritra ny fanomanana ny Tournoi des Mascareignes tany La Réunion, nanao fiomanana ara-batana tamin’ny fitiliana azy momba ny fahasalamana ny JCR Groupe. “Nojerena avokoa ny singa tsy mbola ampy eo amin’ny vatany hahazoana ny endurance takin’ny taranja judo ankoatra ny lafiny teknika”, hoy ny filohan’ny Vondrona JCR, Ratsimivony Jean Claude, omaly, teny Ankorahotra. Nibata ny medaly volamena izy nandritra ny fifaninanana ka mendrika hotohanana ny ezaka nataony ho voninahitry ny firenena malagasy.
Handray anjara amin’ny championnat de Madagascar izy ny volana desambra ho avy izao ary efa miroso amin’ny fiomanana ara-tsaina sy ara-batana indray. « Zava-dehibe ny fanohanana amin’ny fanampin-tsakafo isan-karazany taorian’ny fitiliana ara-pahasalamana », hoy i Zo. Milamina ny fiatrehana ny fanazarantena rehefa tsara fiomanana ny vatana ary afaka miandrandra fandresena. Nandrombaka ny medaly volamena koa izy nandritra ny Tournoi de capricornes tany Toliara, tamin’ity taona ity. Ankoatra ny judo, misehatra amin’ny taranja Jiu-jitsu koa i Zo nanomboka tamin’ity taona ity ary efa nandrombaka medaly volamena sahady. Combat au sol misy itovizana amin’ny judo ity taranja ity, araka ny fanazavany ihany.
Vonjy