Lasa 16 605 miliara Ar ny tetibola ho an’ny Programme d’investissement public (PIP) ho an’ny taona 2025 raha toa ka 47,625 tapitrisa Ar izany tamin’ ny taon-dasa. Tapaka nandritra ny fivoriana teny amin’ ny Antenimierampirenena momba ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana nivoaka ny alakamisy teo ny tetikasa. Nidina kosa ny tetibola natokana ho an’ny Antenimierampirenena ho an’ny taona 2025.
Atomboka ao Nosy Be Hell Ville ny fampiharana ny drafi-panajariana ny ranomasina. Hanatanteraka izany ny komity ifotony marolafy mandrindra ny toekarena. Tanjona ny hampiroboroboana ny toekarena manga ao an-toerana sy hamoronana asa fivelomana maharitra ary mahavelona ao anatin’ny fanajana ny tontolo iainana. Nanampy sy nanohana ara-bola ny atrikasa natao tao Nosy Be ny PNUD sy ny Université de Rhode Island”.
Miisa 82 ireo milina mpanodim-bokatra avy amin’ny tetikasa Odof miparitaka manerana ny Nosy. Manodidina ny 50 amin’ireo no mihodina ara-dalàna sy mamokatra. Ilaina kosa ny fijakiana ny kalitaon’ny vokatra ahafahana mifaninana eo amin’ny tsena eto an-toerana sy any ivelany. Manara-maso ny fampandehanana ny tetikasa ny minisitera. Tanjona ny hampihodina 100% ireo milina rehetra, ny taona 2025.