Pr Andrianarisoa Ange : “Ilaina ny fifampiresahana hamahana olana”

Nitondra ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena ny Arema. Nambaran’ny sekretera nasionaly lefitra, ny Pr Andrianarisoa Ange fa anisan’ny nataon’ny amiraly Ratsiraka ny nampivondrona ireo hery politika rehetra teo anivon’ny FMDR, tamin’izany.

“Anisan’ny mpikambana tao ny eo anivon’ny MFM. Tsy misy zavatra vita izany raha tsy eo ny fifampiresahana”, hoy izy. Anisan’ireo niatrika ny tsingerin-taona faha-50 nijoroan’ny MFM tetsy Anosy ny tenany, nisolo tena ny antoko Arema.
Nanteriny fa ilaina hatrany ny fampitoviana ny tanjona tiana ho tratrarina rehefa mi­tantana ny firenena. Tan­te­ra­hana amin’ny alalan’ny fifampidinihana izany, araka ny nambarany. “Tsy misy mpanao politika manana tanjona ha­nao ratsy ho an’ity firenena ity. Ilaina ao anatin’izany ny fanabeazana ara-batana, sa­ina, fanahy, fihetseham-po”, hoy izy.

Tsy azo ekena ny fanonganam-panjakana
Etsy andaniny anefa, no­hi­tsiny fa tsy miombon-kevitra amin’ny resaka fikaonandoham-pirenena ny Arema raha mametraka tanjona ho any amin’ny fikonokononnana fa­non­ganam-panjakana izany. “Tsy mety amintsika sy ny vahoaka intsony izany. Tsy azo ekena ny fikorontanan’ny fi­renena na handrehetana adim-poko”, hoy ihany izy. Nan­teriny fa ilaina ny hametrahana ny filaminana sy ny firindran’ny fiainan’ny firenena.
Notsiahiviny ny efa novoizin’izy ireo ny amin’ny fahavononona hanolotra kandidà, manomboka eny anivon’ny fokontany, depiote, loholona sy ny fifidianana hafa rehetra ny Arema.

Synèse R.

Partager sur: