Fikaonandoham-pirenena : miandrandra sy manantena ny FFKM ny KMSI

Nambaran’ny mpitarika ny Komity miaro ny soa iombonana (KMSI), Randrianirina Jean Ignace na Ramasy fa miandrandra sy manantena ny FFKM izy ireo. Efa nanao ny dingana sy ny ezaka rehetra izy ireo eo anivon’ny Von­drona Panorama sy ny maha mpikambana azy ireo eo anivon’ny Komity teknika mpanomana ny fifidianana (CMT) ahatongavana amin’ny fikaonandoham-pirenena. “Ilaina diovina mihitsy aloha ny tokontany ilalaovana. Mian­kina amin’ny tsirairay avy koa anefa izany. Efa noresahana sy nampitana hafatra ny fiangonana ka anjaran’izy ireo sisa ny manaraka”, hoy izy. Anisan’ny lalana iray handaminana ny firenena izany ka ampirisihan’izy ireo ny hery rehetra hifampiresaka, mialoha ny fifidianana mba tsy ha­nanan-dratsy. “Manantena iza­hay fa ho tonga amin’ny fifampiresahana isika amin’ny taona 2023. Fikaonandoha ho an’ny rehetra handaminana ny tany sy ny fanjakana iza­ny”, hoy ihany izy. Nanteriny fa tanjon’ny KMSI ny hananana mpitondra eken’ny rehetra.
Dingana ahatongavana amin’izany ny fampandraisana anjara ny fokonolona. Mbola mitazana fotsiny izao izy ireo. Manadio ny lisi-pifidianana isika nefa olona tendrena no apetraka eny.

Synèse R.

Partager sur: