Efa niarahaba sahady ny malagasy amin’izao hahatongavan’ny taona vaovao 2023 izao ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc. Nirary soa sy fahombiazana sy fanantenana ho an’ny vahoaka tenany. Niantsoany koa mba tsy ho kivy na ho ketraka fa mbola hisy fararany izao. “Manàna fanantenana ary minoa fotsiny ihany fa aza matahotra. Ilaina ny fahasahiana mijoro hatramin’ny farany”, hoy izy. Nirary sahady ny taona vaovao ho an’ny malagasy rehetra mba hieren-doza ny tenany.
Tranga miseho eto amin’ny firenena
Niaiky ny filoha teo aloha fa tena mafy sy sarotra ary manahirana izao tranga miseho eto amin’ny firenena izao. Misy ireo tsy afaka misakafo na tsy mba afaka ny hividy izany. Tsy afaka miteny na miantso ihany siangy tsy misy mpihaino. Ao ireo enjehina sy gadraina na ampijaliana sy vonoina. “Ho entintsika am-bavaka avokoa izany rehetra izany, amin’izao taona vaovao izao”, hoy ihany izy.
Na izany aza, mbola hanana ny hambarany izy amin’ny fiandohan’ny taona 2023 eo, hametraka ny tombana sy ny toromarika rehetra, hiatrehana ny fifidianana.
Synèse R.