Tsy misy fanantenana amin’ny “Can Maroc 2025” intsony i Madagasikara. Hifanandrina amin’i Comores izy ireo anio, any Maroc. I Gilles Hugon no hitondra ny ekipa nasionaly.
Ny ekipa nasionalin’i Tunisie sy i Comores no nahazo ny tapakila hiatrika ny fifaninanana “Can 2025”, izay hatao any Maroc, tao amin’ny vondrona “A”. Tsy tafakatra amin’izany kosa i Madagasikara, ka ny lalao anio, hihaonan’ny Barea amin’ny Coelacanthes Comores, ao amin’ny kianja El Hociema Maroc, dia fihaonana natao hiarovana ny laharan’ny Malagasy amin’ny Fifa. Nisaraka ady sahala, 1 no ho 1, ny roa tonta nandritra ny andro faharoan’ity fifanintsanana ity. Tsara marihina, tamin’ity ady tapakilan’ny Can ity, nahazo faharesena telo sy ady sahala roa ny ekipa nasionaly malagasy, manana isa roa. Tsy mbola nahita faharesena mihitsy kosa i Comores, nandritra ny lalao dimy nataony, ary manana isa 9. Nahavita ady sahala telo sy fandresena roa moa ireto ekipa kaomorianina ireto, tamin’izany. Ankoatra izay, tsara ny mampahafantatra fa nanolo ny toeran’ny Coach Rôrô, amin’ity fifanandrinan’i Comores sy i Madagasikara ity, vonjimaika i Gilles Hugon, izay mpanampy ny mpanazatra Rôrô ihany. Manana ny mari-pahaizana Licence UEFA A. Ireo sodaney efatra mirahalahy no hitantana ny lalao amin’ity fihaonana, anio, ity.
Ampahafantarina ihany fa tsy nahazo rariny tamin’ny Caf ny fitoriana nataon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Nilaza izy ireo fa mitombina tanteraka ny fanapahan-kevitra noraisin’ny mpitsara ka mijanona amin’iny 1 no ho 1 iny ny vokatra.
Fitia Randria
Mondial ny fanantenana
Fotoana iray izao handinihan’ny mpilalao sy ny mpitantana ny baolina kitra, ny tena olana goavana sy ny fitadiavana vahaolana, taorian’ireny vokatra ratsy ireny. Ampahatsiahivina fa mbola manana herijika amin’ny fiadiana ny tapakila hiatrehina ny fifanintsanana maneran-tany « Mondial 2026 », izay hatao any Meksika sy Etazonia. Manana isa fito, ary mitana ny laharana fahatelo ao amin’ny sokajy “I”. Miray vondrona amin’ny Barea amin’izany i Comores, i Tchad, i Mali ary i Ghana. Azo antenaina fa hahazo fankatoavana amin’izay ny Kianja Barea Mahamasina ka afaka hijery sy hanohana ny ekipa nasionaly, ireo Malagasy mpitia baolina kitra eto amin’ity Nosy ity.