Nanentana momba ny voka-dratsy amin’ny fidorohana zava-mahadomelina ny Mouvement chrétien des cadres et professionnels (MMCP) Farafangana.
Notontosaina tao amin’ny CEG Fenoarivo, Farafangana, ny faran’ny herinadro teo, ny hetsika fanentanana ireo mpianatra. Nanasa ny tomponandraikitra avy ao amin’ny fitsarana sy ny sampandraharaham-paritry ny Fahasalamana ny mpikarakara. Nilaza ny fampanoavana ao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany, Farafangana, fa mahavoasazy ny fidorohana, fivarotana zava-mahadomelina. Nampahafantatra ireo karazana zava-mahadomelina sy ny sazy mihatra ho an’ireo mandika lalàna, toy ny famonjana avy hatrany, izy. Nananatra ireto mpianatra tsy ho voatariky ny naman-dratsy koa ka nomarihiny fa maditra ny zaza mandray rongony (na koa kasy no anarany eto an-tanàna) ka indraindray ny ray aman-dreny no mangataka hampigadrana ny zanany.
Nanipika ny tomponandraiki-paritry ny Fahasalamana fa manimba ny fahasalamana ny rongony ary mety hahalasa adala mihitsy. Misy ny milaza fa mampatanjaka anatin’ny fotoana fohy ny fandraisana azy ka mahatonga ny tanora hanaotao foana rehefa miankindoha aminy. Tsy maintsy mitady vola hividianana rongony ka mangalatra na mivaro-tena ny tovovavy. Nilaza koa ry zareo fa mihaino ireo tanora 10 hatramin’ny 24 taona, isaky ny alarobia, ao amin’ny tobim-pahasalamana, hamaly ny fanontanian’ireo tanora momba ny fiovana eo amin’ny vatany. Nentanina ireo tanora hamonjy io fotoana io hiresaka momba ny lohahevitra rehetra mahaliana azy ireo.
Efa mahatsapa ireo mpianatra, araka ny fijoroana vavolombelona, fa tsy ny rongony sy ny zava-mahadomelina hafa ihany no tokony hofadiana fa ireo ditra rehetra manohintohina ny fianarana. Dingana manaraka ny fitohizan’ ny fanentanana eny anivon’ny Lycée ka ankoatra ny fizarana ny voka-dratsin’ny zava-mahadomelina, hisy koa ny fampahafantarana ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na mahavavy (VBG) sy ny fampiasana ny tambajotra sosialy ary ireo lalàna mifehy azy.
Vonjy