Jeux vidéo eto Madagasikara : nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Ligue PUGB mobile 

Manomboka izao, hatao manara-drafitra sy matihanina ny «jeux vidéo» eto Madagasikara. Araka izany, napetraka ny Ligue PUGB mobile hikarakara ireo fifaninanana sy ny mpilalao. Hisokatra amin’ny sehatra iraisam-pirenena ihany koa ny fihaonana rehetra.

Nampahafantarina ny zo­ma lasa teo, tetsy amin’ny IFM Analakely, ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny Ligue PUBG mobile, eo amin’ny «jeux vidéo» eto Madagasikara. Tompon’an­drai­ki­tra amin’izany ny PUBG Madagascar Ligue. Hatao ho matihanina sy manaraka ny rafitra ara-dalàna ny anton’izany. Efa notokanana herinandro lasa ny dingana voalohany ary nosokafana ho an’ny daholobe mihoatra ny 16 taona.
Nahatratra 37 ireo ekipa ni­soratra anarana ka nahazo ny tapakila hiatrehana ny Li­gue ara-dalàna ny 21, izay ho­ton­tosaina isaky ny faran’ny he­rinandro, mandritra ny enim-bolana.
Aorian’io, tafita amin’ny “play-off” ireo ekipa 16 manana filaharana tsara indrindra.
Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, izay tafavoaka amin’ny famaranana. Fifaninanana tafiditra ao anatin’ny “African E-sport Cham­pion­ship”. Tsiahivina fa efa nisy ny fiaraha-miasa tamin’ny mpamorona ny lalao Tekken sy ny Call of Duty, ny taona 2023.
Nahavory mpilalao 64 ny Ligue PUBG mobile ho an’ny “play-off”, ka misy mpilalao efatra sy mpilalao fiandry roa ao anaty ekipa iray.
Ankoatra izay, manana herijika hahazo “Cash prize”, ny mpifaninana isanisany, ankoatra ny fifaninanana afrikanina sy ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, raha mahavita vokatra tsara sy misongadina. Natao manaraka ny fomba ampiharina amin’ny baolina kitra ny amin’ny e-sport.
Mametraka an’i Madagasi­ka­ra eo amin’ny e-sport mondial ity tsirin-kevitra ity, ary manokatra varavarana hafa ho an’ireo mpilalao “jeux vidéo”. Ankehitriny, efa manao fanisana ireo mpilalao isan-tsokajy ny federasiona, hahazoana manome kara-pilalaovana.

Tompondaka

 

Partager sur: