Mitaky adidin’ny ray aman-dreny : mateti-piseho ny ankizy tsy misitraka zo hanana ny maha izy azy

Ankizy latsaky ny 18 taona avokoa ny maherin’ny 50% ny vahoaka malagasy. Mbola lavitr’ezaka ny fanajana ny zon’ny ankizy eto an-toerana na dia maro aza ny ezaka nataon’ny fitondram-panajakana sy ny mpiara-miombon’antoka rehetra.

Miseho amin’ny endriny maro samihafa ny tsy fanajana ny zon’ny ankizy eto Madagasikara. Anisan’izany, ny hamaroan’ny herisetra mianjady amin’ny ankizy, ny tsy fandefasana azy ireo any an-tsekoly sy ny maro hafa. “Mateti-piseho ny tsy fananan’ny ankizy zo hanana ny maha izy azy (droit à l’identité) eo amin’ny fiainany”, hoy ny talen’ny PFSCE, Maitre Raharinarivonirina Ma­ria, nandritra ny hetsika nataon’izy ireo tetsy Mahamasina, omaly. Miseho amin’ny alalan’ny tsy fananana kopia nahaterahana izany, izay mitarika amin’ny fanafoanana tanteraka ireo zo rehetra tokony ho­sitrahan’ny ankizy. Toy ny
tsy fahafahana mianatra, tsy fisitrahana fitsaboana… An­koatra izay, maro ny ankizy teraka nefa mitombo ihany koa ny ankizy andalambe noho ny fifindra-monina sy ny tsy fisian’ny asa. “Matoa mi­voaka mangataka sy tsy miditra an-tsekoly ny zaza dia misy adidin’ny ray aman-dreny ao”, hoy kosa ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurelie, tany Mahajanga.
Nomarihina ofisialy tany Mahajanga
Nankalazaina omaly, tany Mahajanga ny Andro manerantany ho an’ny ankizy eto Madagasikara. “Ndao hiaraka amin’ny ankizy sy ho an’ny ankizy hametraka ny hoavy mamirapiratra”, io ny lohahevitra nentina nanamarihana izany. “Zava-dehibe izany satria mitaky andraikitra eo amin’ny tsirairay, ny ray aman-dreny niteraka ary avy amin’ny mpitondra fanjakana isan-tsokajiny”, hoy hatrany ny minisitra. Nambarany fa ny ankizy no tompon’ny hoavy ary tokony hanana fijery sy vina ao anatin’ny hoavy mamiratra. Nohamafisiny fa tokony hiaraka amin’ny ankizy ny mpiantsehatra amin’ny fanabeazana hamaritra ny hoavy mamiratra. “Enga anie ny fifankatiavana sy fiombonana ho an’ny ankizy izao mba hisy ventiny ho an’ny zanatsika manerana ny Nosy sy ho an’ny eto Boeny”, hoy hatrany izy. Nambarany fa zava-dehibe ny fiombonana amin’ny akizy satria izy ireo no hoavin’ny firenena.

Mino

Partager sur: