Orinasa KFC : manome sakafo 5 000 isan-taona ho an’ny ankizy sahirana

Dimy taona no nahatongavan’ny orinasa KFC teto Madagasikara, izay fantatra amin’ny fanamboarana sakafo sy fampisakafoana. Nitondra fivoarana ho an’ny tontolon’ny asa izy satria afaka namome fivelomana ho an’ny sokajin’olona maro. Anisan’izany ny mpamboly legioma any Am­pefy, izay mamatsy ny orinasa tsy tapaka. Nitombo avo telo heny tao anatin’ny dimy taona ny isan’ny mpiasa, hoy ny mpitantana ny orinasal, Jerôme Poutot, nandritra ny hetsika fanamarihina ny fahadimy taona teny amin’ny Digue, tamin’ity herinandro ity. Mampiavaka ny orinasa koa ny fanohanana ny lafiny sosialy. Isan-taona, isorohana ny fanariana fotsiny ireo akora ampiasaina tsy lany, omena ny orinasa Bii Foodwise hahavitana sakafo 5 000 hatolotra ireo ankizy marefo ara-pivelomana ho tohana azy ireo. Mbola havadika hanamboarana savony koa ny menaka nikirakirana sakafo rehefa avy nodiovina. Tsy misy zavatra very mihitsy fa azo haodina hitondra tombontsoa vaovao indray.
Hita taratra amin’ny fitantanana ny mpiasa koa ny lafiny sosialy, na teo aza ny fandalovan’ny krizy ara-pahasalamana ny taona 2020, herintaona taorian’ny nisokafan’ny orinasa,notazonina avokoa izy ireo hanohy.

Vonjy

Partager sur: