Nisy ny fampiofanana sy fanentanana ireo mpiasa eny anivon’ny Direction générale du contrôle financier (DGCF), afakomaly, momba ny tandrohasina sy ny fitsipi-pitondrantenan’ny mpiasam-panjakana ary ireo toromarika amin’ny fitsipika mifehy. Sampandraharaha miisa 12 sy delegasiona 32 no nisitraka ny fanentanana anatin’ny fifampizarana indimy miantoana. Nanatanteraka ny fampiofanana ny fitaleavana misahana ny tandrohasina sy fitsipi-pitondrantenan’ny mpiasam-panjakana.
Ho fanamarihina ny Andro iraisam-pirenena momba ny zon’ny ankizy, nanao antso ho an’ny filohan’ny Repoblika, omaly, ny Vovonan’ny firaisamonina sivily momba ny ankizy amin’ny tokony tsy hanilihina ireo ankizy eny an-dalambe. Manana zo hisitraka fanabeazana, fitsaboana toy ny ankizy mitovy aminy izy ireo. Matetika sokajian’ny fiarahamonina ho mpangalatra sy fototry ny korontana izy ireny.
Tato anatin’ny tapany voalohany amin’ity volana ity, maro ireo tratra nanantanteraka tsy fanarahana sy fandikan-dalàna amin’ny fitaterana sy ny fanotofana tany tsy ara-dalàna, hoy ny Apipa. 11 ireo fiara lehibe tratra ambodiomby ka nogihazana any amin’ny valam-pamonjana ankehitriny. 13 kosa ireo nandositra ka efa eny am-pelatanan’ny manampahefana ny mahakasika azy ireo ary hanaovana fanadihadiana sy fikarohana avy hatrany.
Nijery ifotony ny tetikasan’ny Unicef any amin’ ny faritra Atsimo Andrefana ny masoivohon’ i Frantsa eto amintsika sy ny solontenan’ny Unicef eto Madagasikara. Ireo asa mifototra amin’ny fahasalamana, fanabeazana, fiarovana ny ankizy no notsidihin’ny roa tonta nandritra ny hateloana, ny herinandro lasa teo.