Mamarana ny taom-pikatrohana 2024 ny eo anivon’ny Federasionin’ny karate malagasy. Nisy ny tatitra nataon’izy ireo, omaly, teny amin’ny ANS Ampefiloha. Nampitandrina ireo minia manakorontana ihany koa ny FKM.
Tontosa araka ny tokony ho izy ny fandaharam-potoan’ny federasiona, tamin’ity taona 2024 ity, araka ny nambaran’ny filohan’ny FKM, Ratefinanahary Emile. Anisan’izany ny fifaninanam-pirenena ho an’ny ankizy sy vehivavy, nahitana mpandray anjara 900 be izao. Nanaraka izany ny “Challenge Betsileo” sy ny “Samy Jao” ary ny fifaninanam-pirenena natao farany teo tany Toliara. Teo koa ny fifaninanana iraisam-pirenena, izay nampisongadina an’i Tsiky (-55kg) niakatra ho laharana faha-52 maneran-tany, raha toa ka teo amin’ny 113 ny laharany farany. Nitondra fanazavana mahakasika ny fitoriana nataon’ny filohan’ny Ligin’i Vakinankaratra ihany koa ny FKM. Nambarany fa efa nosazian’ny Codis, 5 taona tsy afaka mikirakira ny taranja karaté intsony izy, ary efa nisy ny fifidianana ny filoha vaovao. Miantso ny hitandroana hatrany ny hasin’ny taranja karate, araka izany, ny filohan’ny federasiona ary mampitandrina izay minia manakorontana.
Ho an’ny taona 2025, hiezaka handefa an’i Tsiky hanatrika ny “Youth League” any Venise (5-8 desambra 2024) ny federasiona. Ankoatra izay, hanainga amin’ny desambra izao, hiofana any Rabat Maraoka, ny DTN, Rajaonarison Christian, mandritra ny 10 andro. Hisy mpitsara ihany koa hiofana any an-toerana.
Eto an-toerana, any amin’ ny ligin’i Diana (olon-tokana) sy Vakinankaratra (isan-tarika) no hanaovana ny fifaninanam-pirenena 2025. Tsy hiova ny fomba fitiliana ny ekipam-pirenena, izay miainga amin’ny fampivondronana ireo 4 mendrika isaky ny sokajy.
Mi.Raz