Nambaran’ny mpanazatran’ ny Askam AFA Itasy, i Manitriniaina Steve Princy, omaly, teo Analakely, fa hisy ny fitsapana vehivavy mpilalao latsaky ny 17 taona, ho an’izay maniry ny hiditra ao amin’ny klioban’izy ireo. Raha ny nambaran’ity teknisianina iray ity, misy hatrany ny fitsapana rehefa mandeha ny fanazarantena. Notsiahiviny ihany fa isaky ny talata sy ny alakamisy ary ny zoma ny fanomanantena ho azy ireo, eo amin’ny kianja Analakely.
Tsara ny mampahafantatra fa nisongadina, nandritra ny dingana voalohan’ny fifanintsanana nasionaly, sokajy senior, ireto mpilalaon’Itasy ireto. Tao amin’ny vondron’ny faritr’Antananarivo no nisy azy ireo, ary nahavita ady sahala iray sy fandresena dimy ity klioba entin’i Princy ity. «Ao anatin’ny fanomanana tanteraka hatrany izahay, amin’izao fotoana izao ary miandry ny fitohizan’ny fifaninanana nasionaly teo iny. Tanjona ny hiakarana eo amin’ ny dingan’ny famaranana », hoy izy.
Marihina fa manana mpilalao roa mandrafitra ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar, sokajy vehivavy, izay niatrika ny Cosafa tany Afrika Atsimo farany teo, ny Askam AFA.
Ankoatra izay, mampianatra baolina kitra ho an’ny ankizy sokajy U13, ny Analakely Football Academy (AFA) ary efa mahatratra 80 mahery eo ny kilonga beazina ao amin’ izao fotoana izao. Hanokatra ny U15 indray ny AFA amin’ity taona ity. Efa misy ireo ankizy efa miakatra amin’izany sokajin-taona izany.
Fitia Randria