Fampiasam-bola : hiara-kiasa ny EDBM sy ny Ravinala Airports

Hatao ny paikady mahomby hampiasana ireo fotodrafitrasa rehetra ao amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato (TNR), hisarihana ny mpampiasa vola ho avy eto Madagasikara. Natao sonia ny 19 novambra teo ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny EDBM (Economic Deve­lopment Board of Mada­gascar) sy ny orinasa Ravi­nala Airports. Kendrena manokana ireo mpandraharaha mpampiasa vola iraisam-pirenena eo amin’ny sehatry ny fizahantany, ka tanjona ny haha firenena tsara tsidihina aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indiana an’i Mada­gasikara. Hapetraka eny amin’ireo toerana sahaza azy ao amin’ny seranam-piaramanidina ny karazana fampahafantarana an’i Madagasikara ananan’ny EDBM, mba ho hita sy ho fantatry ny rehetra.
Hiandraikitra ny fametrahana sy ny fanapariahana izany ny Ravinala Airports. Hanohy sy hanavao tsy tapaka ny vontoatiny ny EDBM. Tafiditra ao ny fampahafantarana ny fanatsarana ny fotodrafitrasa ao amin’ny seranam-piaramanidina. Anisan’ ny kendrena ireo kaompania vahiny sy ny mpizahatany ho avy aty Madagasikara. Nanao sonia ny fiaraha-miasa ny tale jeneraly (DG) ny EDBM, Rafidy Josielle sy ny DG ny Ravinala Airports, Daniel Lefebvre. Nanatrika teo koa ny talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny Indostria sy ny varotra, Razafindrakoto Dina­hanitriniaina. Haharitra herintaona ny fifanarahana.

Njaka A.

Partager sur: