Nanao fanambarana tao amin’ny tambajotran-tseraseran’ny First global Madagascar ny Steam for god. Tsy nekena, hoy izy ireo, ny visa ho an’ireo telo mirahavavy mpikambana anaty Stem Club hiatrika ny fifaninanana “Robotex International 2024” hotontosaina ny 6 sy 7 desambra ho avy izao, any Tallin Estonie, momba ny robotika ho an’ny ankizy 13 taona no ho midina. I Harena, 11taona, i Fitizo, 13 taona ary i Soadana, 11taona, no tokony hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny fifaninanana. Ankoatra ny olana amin’ny visa, lavitr’ezaka koa ny eo amin’ny vola. Nisy ny hetsika manokana hanangonana vola hoenti-miatrika ny hetsika fa tsy tratra ny sora-bola ilaina. Manantena anefa ireo mpikarakara fa hahita vahaolana mba hahafahan’ny ekipantsika hiaro ny voninahitry ny firenena. Amin’ny 2 desambra ny ekipa no tokony hanainga hiatrika ny fifaninanana any Estonie.
Robot miady amin’ny haintrano, doro tanety, doro ala no amboarin-dry zareo amin’ity fifaninanana ity miaraka amin’ ny mpanao tantsoroka (mentors).
Fifaninanana natokana ho an’ny tovovavy sy ny vehivavy izy ity handrisihina ny tanora ho liana amin’ny teknolojia sy hanokatra ny vavahadin-tsaina ho amin’izany sehatra izany. Asan’ny robot izay hamboarina ny hitady ny fiandohan’ny afo sy hamono izany farany izay haingana, indrindra anatin’ny fotoana voafetra mialoha.
Vonjy