Hotontosaina ny 6 hatramin’ny 7 desambra ho avy izao, eny amin’ny Gymnase Ankoay Ankorondrano, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja tolona. Raha ny vaovao voaray omaly, tsy misy ny sokajy seniors amin’ity fifanintsanana iraisam-pirenena ity, fa ny sokajy zandriny U17 sy U20 ary U23 ihany no hifanintsanana. Raha ny fanazavana azo tamin’ny tomponandraikitra, natao hanomanana ireo atleta vaovao ity lalao ity, sady tafiditra anatin’ny lisitra izay handrafitra ny ekipa nasionaly ny mpilalao tompondaka amin’ity. Ankoatra izay, misy ihany koa ny hetsika “lutte à la ceinture”.
Ireo ligy toa an’Analamanga, Matsiatra Ambony, Atsinanana, Boeny ary Ihorombe no handray anjara. Omena fotoana hatramin’ny folo andro ireo ligy izay tsy mbola nisoratra anarana. Tsara ny mampahafantatra fa Raveloson Mamitiana no filohan’ny Federasiona malagasin’ny taranja tolona.
Fitia Randria