Hifantoka atsy Maroc ny sain’ny mpitia fanatanjahantena rehetra amin’ity faran’ny herinandro ity, indrindra fa ny mpiondana baolina lavalava. Hiady ny tapakila hidirana ao anaty «Top 8 Afrique» mantsy ny Makis de Madagascar sy i Maroc, mpampiantrano. Hotontosaina rahampitso alahady, ao amin’ny Kianja Casa Blanca Maroc, ny fihaonan’ny roa tonta, ho an’ny vondrona “B”. Hanala vela amin-dry zareo marokanina
ny Makis amin’ity. Raha tsiahivina, nandritra ny lalao famaranana “Can 2015” no nifandona ny roa tonta. Fifanandrinana natao tany France, tsaroan’ny rehetra fa tamin’ny kianja feno ranomandry izany. Niondrika tamin’ny isa mavesatra, 43 no ho 6 ny ekipa nasionaly malagasy tamin’izany. Vonona tanteraka ny Makis na dia hilalao eo an-jaridainany aza i Maroc. Tsara ny mampahatsiahy fa hidona amin’izay voalohany ao amin’ny sokajy A, izay tafavoaka amin’i Maroc sy ny Makis. Marihina fa i Maroc nanamontsana an’i Botswana, 64 no ho 0, raha toa ka lavon’ny Makis, 33 no ho 7, ry zareo kameroney.
Hanana ny lanjany lehibe ity fifaninanana ity, ankoatra io ady tapakila io, hiadiana toerana amin’ny “Can 2025” ihany koa izany.
Tompondaka