Notontosaina teny Tsararano Mahajanga, ny faran’ny herinandro lasa teo, ny fifanintsanana fanatanjahantena mekanika “Circuit Za Go Janga”, andiany faha-13. Tonga tany an-toerana nanotrona ity hetsika ity ny minisitry ny Fanatanjahantena sy ny tanora (MJS), Marson Moustapha Abdulah.
Maro ny lalao nandeha teny an-toerana. Anisan’ny sokajin-dalao tamin’izany ny hazakaza-piarakodia sy ny “Quad” ary ny kodiaran-droa. Taranja iray tena mahasarika ny mponina sy ireo mpiala sasatra ao Mahajanga ny fifanintsanana ara-mekanika toy izao.
Azo lazaina, araka izany, fa tsy manavaka ny taranja misy eto Madagasikara ny minisitry ny MJS. Nandritra ny fitantany an’ity rafi-panjakana ity, betsaka ireo filohan’ny federasiona amin’ny taranja hafa no velom-panantenana amin’ny fiaraha-miasa aminy.
Marihina fa tanjon’ny fitondram-panjakana ankehitriny ny hampisandratra avo ny tanora sy ny fanatanjahantena eto Madagasikara.
Fitia Randria