Jiu-jitsu breziliana : Mitazona ny laharana faha-22 maneran-tany ny Malagasy

Laharana faha-22 maneran-tany ny Malagasy mpikatroka Jiu-jitsu. Nampiaka-danja ny taranja ny fahazoana ireo medaly volamena roa sy alimo iray tany Abu Dhabi.

Miakatra ambony ny fahaiza-manaon’ny Malagasy mpikatroka ny taranja Jiu-jitsu. Ma­na­porofo izany ny vokatra azo nandritra ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, izay natao tany Abu Dhabi, ny 6 hatramin’ny 16 novambra lasa teo. Nitondra medaly volamena roa sy alimo iray ny delegasionina malagasy izay noraisina teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena, ny zoma folakandro lasa teo.
Nanao antso avo amin’ny filohan’ ny Repoblika, Rajoelina Andry, ny filohan’ny federasionina, Rakotozafy Johary, mba hijerena ireto tompondaka maneran-tany ireto satria sambany ho an’ny taranja Jiu-jitsu izany. “Niady mafy ny atleta malagasy ary nitady ny fomba rehetra nahafahana niaro ny voninahi-pirenena, kanefa efa ireny ny vokatra, vao mainka raha tsara tohano dia mbola mety tsara kokoa noho ireny ny vokatra”, hoy izy.
Ankoatra izay, mampahatsiahy ny minisitera ihany koa ity tomponandraikitra ity ny mba hijery azy ireo, indrindra mahakasika ny famerenana ny lany rehetra sy ny fandanian’ny mpikatroka miisa fito na valo nialoha ny fiaingana izay nampanantenaina.
Nanamafy ihany koa ireo tompondaka maneran-tany izay niantso ny fanohanan’ny fanjakana malagasy ny ezaka ataon’izy ireo. “Miantso ny fanjakana hijery ny atleta aty amin’ny taranja manokana fa misy manan-talenta sy mitondra avo ny voninahi-pirenena malagasy”, hoy ny antso nataon’i Tafita, tompondaka maneran-tany amin’ny taranja Jiu-jitsu Amateur. Tanjona kosa ho an’i Chakif ny hiatrika fifaninanana iraisam-pirenena maro sy hitazona ny anaram-boninahitra.

Mi.Raz

Partager sur: