Tontosa ny sabotsy 23 novambra lasa teo, teny amin’ ny Kianja Barea Mahamasina, ny hetsika “Her World, Her Rules”, novolavolain’ny Federasiona iraisam-pirenen’ny basikety (Fiba), hositrahan’ny federasiona nasionaly, ka anisan’ny nisitraka izany i Madagasikara. Notsongaina manokana ny tovovavy manodidina ny 12 taona, eny anivon’ny EPP, izay fiaraha-miasan’ny Federasiona malagasin’ ny basikety sy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ka EPP 8, ahitana tovovavy 110, no nandray anjara. Zava-dehibe ny hetsika toy izao, izay fampandrosoana ny fanatanjahantena eny ifotony, miantomboka any an-tsekoly, izay tanjon’ny fitondram-panjakana. “Manentana ny federasiona hisitraka ny fandaharanasan’ny federasiona iraisam-pirenena toy izao. Tsy fakana medaly fotsiny ny fanatanjahantena fa ho an’ny fahasalamana sy fanabeazana ary fanarahana fitsipika izay hoentina amin’ny fiainana”, hoy ny avy eo anivon’ny minisitera mpiahy. Tanjona ny hitazomana ny ankizy hanao basikety ka ho hitan’ny klioba ary afaka hiditra amin’ny matihanina, raha ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny kaomisionin’ny basikety ho an’ny vehivavy, eo anivon’ny FMBB, Rabearizafy Ando. Fanentanana ny tovovavy mba hilalao sy haka fahafinaretana amin’ny taranja basikety no tanjona. Manentana ny sekoly hametraka ny taranja basikety eo anivony ny tomponandraikitra isan’ambaratongany.
Mi.Raz