Notanterahina ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny Ininfra Alarobia, ny fivoriambe ara-potoan’ny Federasiona malagasin’ny atletisma (FMA). Taorian’ny tatitra ara-bola sy ny ara-teknika nataon’ny komity mpitantana, nandritra ny taom-piasana 2024, nahazo fankatoavana “quitus” avy amin’ireo ligim-paritra 13 izy ireo.
Tetsy ankilany, nankatoavina ihany koa ny lalàna mahakasika ny fanoherana ny herisetra mahazo ny atleta. Ankoatra izany, nisy ny fangatahan’ireo ligy toy ny hanatontosana ny fifaninam-pirenena any amin’izy ireo. Eo ny amin’ny tokony hanomezana mari-boninahitra ho an’ireo atleta sy mpanazatra na mpitantana nahavita be teo amin’ity taranja atletisma ity. Nambaran-dRaherison Dominique, filohan’ny federasiona fa mibaby trosa 90 tapitrisa Ariary izy ireo tamin’ny fanatontosana ny fifaninanam-pirenena sy niatrehana ireo lalao tany ivelany. Araka izany, miantso ny minisitera mpiahy izy ireo mba hijery sy hanome tanana indrindra amin’ny fiatrehana ny taom-pilalaovana 2025. Notsiahivin’ity lehiben’ny federasiona ity, fa ny taranja atletisma no nitondra avo hatrany ny voninahi-pirenena. Porofon’izany ny nahazoana ny medaly tamin’ny lalaon’ny firenena miteny frantsay sy nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ary ny lalaon’ny Nosy 2023, izay natao teto Madagasikara farany teo.
Tompondaka