Nitsidika ny Atelier Luban ao Tianjin-Chine ny minisitry ny Asa sy ny fampananana asa ary ny asam-panjakana, Razakaboana Hanitra Fitiavana, nandritra ny fivahinianany. Tamin’izany no nahafahany nihaona tamin’ireo Malagasy milaravinahitra any an-toerana sy ireo mamita iraka any.
Anisan’izany ny filohan’ny Oniversiten’Antananarivo sy ireo tomponandraikitra ao amin’ny Oniversite polyteknika Vontovorona, ireo mpampiofana ary ireo mpianatra asa any Sina. Ao anatin’ny firenena 32, ny “Atelier Luban” ao amin’ny Espa Votovorona, anisan’ny ivontoeram-piofanana lehibe indrindra aty Afrika. Ivontoerana iray izay tohanan’ny governemanta sinoa. Manofana ireo mpianatra amin’ny herinaratra indostrialy sy fikojakojana fiara.
Marihina fa ny «Atelier Luban» dia maneho ohatra mivaingana sy azo tsapain-tanana ho an’ny hoavin’i Madagasikara. Naneho ny faniriany ny minisitra ny hanatanterahana tetikasa mifandraika amin’izany eo amin’ny sehatra hafa. Voaresaka ny fikojakojana ny milina fambolena, ny fikojakojana fiaramanidina ary ny momba ny angovo azo havaozina izay sehatra takina amin’ny tsenan’ny asa eto an-toerana.
Hamoraina ihany koa ny fampidirana ireo tanora nahazo diplaoma avy amin’ny «Atelier Luban». Hojerena ny sehatry ny asa misy eto an-toerana ka handray azy ireo amin’ny andran’asa ho fanombohana ny fifandraisana arak’asa eo amin’ny roa tonta.
Tatiana A