VAOVAO TAMBATRA

Manomboka ny asa fanamboarana ny lalana Antsohihy-Bealanana, RN31. Hatao godirao tanteraka ity lalana mirefy 102 km ity. Miisa 34 ny tetezana ho havaozina. Haharitra telo taona ny asa, ary efa tonga any an-toerana ny milina sy ny fitaovana vaventy rehetra ho hampiasaina.
Miisa roa ny tohodrano lehibe hatsangana any amin’ny distrika Mandritsara. Efa hita ny toerana hanantanterahana azy, tohan’ny tetikasa Rizplus ny fotodrafitrasa, hanatsarana ny famokaran’ny mponina. Ahitana toerana famonoan’omby, abatoara manara-penitra ihany koa any an-toerana, hanomezan-danja ny lafiny fiompiana.
Nankalazaina ny 22 sy 23 teo ny Andro maneran-tany ho an’ny jono madinika, tany Amba­ton­dra­zaka. Andiany voalohany ity natao ity, nifantoka tamin’ny lohahevitra hoe « O Tse Gona Mpanjono mikajy harena lovain-jafy ». Nisy ny fifaninanana samihafa, toy ny tranoheva mendrika, ny fanodinana sakafo ary ny fandrafetana fitaovam-panjonoana.
Manatsara sy mametraka ny mangarahara ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola. Manohana ny fahaiza-manaon’ny mpiasa ny fandaharanasa PARRC, tohanan’ny AFD. Tanjona ny hanatsarana ny fitantanambolam-panjakana sy ny fahafahan’ny fanjakana mamatsy vola ny politikam-pampandrosoany.

Partager sur: