Tambajotra SDSR – VIH/Sida : Tokony hangarahara ny antontanisa

Nanomboka omaly ka hifarana anio, etsy Antanina­re­nina ny fikaonandoham-pirenen’ny tambajotra SDSR. Misy ny fihaonan’ireo mpikambana miisa 40 isaky ny volana novambra tahaka izao, isan-taona. Niompana tamin’ny fiaraha-mientana amin’ny ady atao amin’ny VIH/Sida ny lohahevitra amin’ity taona ity.
“Manao ady sisika amin’ireo tomponandraikitra rehetra ny SDSR mba hangarahara ny antonanisa avoaka mahakasika ny VIH/Sida, ho azon’ny rehetra trandrahina sy ampiasaina”, hoy ny filohan’ny tambajotra, Rajaobelimahefa Liliane.
Tsy maintsy antontanisa avoakan’ny minisiteran’ny Fa­ha­salamam-bahoaka ihany no azo ampiasaina kanefa sarotra ny mahazo izany ka izany no anaovana ady sisika mba hahafahana mampiasa malalaka sy ivoahan’ny antontanisa mangarahara. Manao ny tomban’ny zava-misy mahakasika ny valanaretina VIH/Sida amin’izao fotoana ihany koa ny tambajotra, ao mandritra ny fivoriana.
Tanjona ny hisian’ny fanabeazana ara-pananahana ho an’ny tanora. Hahafahan’izy ireo miaro tena sy mandresy lahatra azy ireo ny maha zava-doza ny aretina. Ny ONG Mad’Aids no anisan’ny mpikambana mifototra amin’ny ady amin’ny Sida ao amin’ny tambajotra SDSR.
“Nosafidiana ny lohahevitra mahakasika ny VIH/Sida mba hisian’ny fifampitohizana eo amin’ny haitaky rehetra izay hatao”, hoy ny tomponandraikitra, Andriananja Fiona. Mitohy ny haitaky ary miaraka ho feo iray ny mpikambana 40 ao anatin’ny SDSR.

Tatiana A

Partager sur: