Taekwondo “ITF Mada 2024”: Hamoahana ekipam-pirenena ny fifaninanana

Notontosaina ny alahady lasa teo, teny amin’ny Kianja mitafon’Ankatso, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Mada­gasikara, taranja Taekwon-do ITF. Araka ny nambaran’Andri­anjaka Miora, filohan’ny kaomisionin’ny Taekwon-do ITF (TKD ITF) eto Madagasikara, natao handrafetana ny ekipam-pirenena hiatrika ny fifanintsanana iraisam-pirenena sy eto amin’ny faritra Afrika ity fifaninanana nasionaly ity. Nilaza ihany koa ity lehiben’ny taranja TKD ITF ity fa fifaninanam-pirenena voalohany ha­tramin’izay 35 taona nijoroan’ ny kaomisionina izay izao natao izao. Raha ny fanaza­vany, izay vao ara-dalàna tanteraka ny Taekwon-do ITF eto Madagasikara. Nahatratra 110 teo ireo mpandray anjara ta­min’ity lalao ity, ary avy amin’ ny ligin’Analamanga, Boeny, Atsinanana ary Alaotra Man­goro, izy ireo. Notsinjaraina tamin’ny sokajin-taona sy lanja ary ny fehikibo ny mpifanintsana ary mizara roa ny sokajin-dalao, toy ny fihetsika mirindra “Tul” sy ny fifanandrinan’olon-droa “Matsogi”. An­koatra izay, tonga nanotrona ny hetsika, teny an-toerana, ny Federasiona iraisam-pirenena TKD ITF, i Paul Weiler,
9 ème Dan. Tombony ho an’ny Malagasy ity fandalovany ity, sady nampita ny traikefa amin’ ny resaka fitantanana ny tenany no nampiofana ireo atleta mala­gasy. Tsiahivina fa efa tamin’ ny taona 2015 i Paul Weiler no nandalo voalohany teto, ary naneho ny heviny fa efa nivoatra be ny Malagasy amin’ity taranja taekwondo ITF ity.

Fitia Randria

Partager sur: