Lasan’ny jiolahy enin-dahy nitam-basy ny vola mitetina 1 600 000 Ar tao amin’ny fokontany Namorona, kaominina Anosiparihy, distrikan’i Mananjary, ny zoma 30 desambra teo. Niditra an-keriny tao amin’ny tsenambarotra, nandroaka ny entana toy ny sakafo sy ny zava-pisotro misy alkaola ireo olon-dratsy. Nambanany tamin’ny basy ny tompon-trano ka tsy afa-nanao inona. Nirifatra nandositra avy hatrany ireo nahavanin-doza taorian’io. Tetsy ankilany, nifanehatra tamin’ny lehilahy telo nitondra basy tsy lavitra teo ny zandary nandritra ny fikarohana ireo jiolahy. Notondroin’ny fokonolona ho izy telolahy ireto no nanao ny trangam-panafihana tao an-tanàna. Natao ny famotorana ireto olona telo ireto. Nilaza ho very omby anefa izy ireo . Nahitana vola 1 tapitrisa Ar mahery ireto farany ka notazomina ho fakafakaina lalina.
Tsiferana R.