Tolotra fahasalamana faobe fahatelo, miaraka amin’ny fitarihan’ny vadin’ny filohan’ny Repoblika, sady reny mpiahy ny fahasalamana, no hanohizana ny hetsika hiadiana amin’ny herisetra mandritra ny herinandro eto an-dRenivohitra sy Avaradrano.
Nosantarina omaly, teny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fanomezana tolotra fahasalamana manakaiky vahoaka fahatelo, eo ambany fitarihan’ny vadin’ny filohan’ny Repoblika sady reny mpiahy ny fahasalamana, Rajoelina Mialy. Nandritra ny diaben’ny fahasalamana roa vita tany Atsinanana sy Atsimo, tamin’ity taona ity, 60 000 ireo nahazo tombontsoa mivantana tamin’ireo tolotra samihafa miaraka amin’ny fitarafana. 28 ny isan’ny diaben’ny fahasalamana vita nanomboka ny taona 2019 no ho mankaty. “Asa mipaika mivantana amin’ny vahoaka ny tolotra fahasalamana toy izao ary navondrona amin’ny toerana iray nysampam-pitsaboana rehetra ahafahan’ny rehetra misitraka izany”, hoy Rajoelina Mialy. 20 ny tranoheva mandray ny mponina eny Mahamasina, misy ny fitiliana sy vaksiny ary fizaham-pahasalamana maimaimpoana. Hitety ny boriborintany enina sy eny amin’ny distrikan’Avaradrano ny tolotra miaraka amin’ny Clinique mobile hatramin’ny talata ho avy izao. Misy toerana handraisana voafaritra mialoha. Eny amin’ny kianja filalaovam-baolina Tsarahonenana no anjaran’ny boriborintany fahadimy, anio tontolo andro. Eny Ankadikely kosa ho an’Avaradrano, rahampitso. Miara-miasa amin’ny mpanentana ara-pahasalamana ny fanentanana ny vahoaka isan-tokantrano hanatona ny toeram-pandraisana.
Fanentanana miaraka amin’ny BFP
Tafiditra ao anatin’ny 16 Andro hiadiana amin’ny herisetra ny tolotra fahasalamana eto an-dRenivohitra sy eny Avaradrano. Mandritra ny fandraisana ireo olona hizaha fahasalamana, misy koa ny fanentanana momba ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na mahavavy. Manampy amin’izany ny Brigade féminine de proximité (BFP) napetraka hanajoro hevitra sy handray an-tanana ny fitarainan’ny vehivavy iharan’ny herisetra ao an-tokantrano.
Vonjy